Wednesday, October 26, 2022

Ambatomena church(In Malagasy)

    Aprily 2021 no nanomboka namangy ny fiangonana Ambatomena izahay. Azo zaraina roa ny asa fitoriana atao ao:


▶️Voalohany, dia ny famangiana ireo kristiana mangatsiaka. Ary izy ireo ihany no omena fiofanana mba hitory koa.

▶️Faharoa, dia ny asa fitoriana any amin'ireo tsy mbola nandray sy nahare ny filazantsara.

Tamin'ny famangiana voalohany, vitsy kely ny kristiana ary trano kely efa tonta no anatanterahana ny fotoam-pivavahana.



Sary: Kristiana Ambatomena nandritra ny famangiana voalohany.



Friday, October 21, 2022

Fampahafantarana

       Misaotra an'i Jesosy fa tafatsangana izao Blog izao, izay natao handehoana ny asa fitoriana filazantsara ataonay mivady aty amin'ny faritra Bara-Betroka.
       Azo zaraina roa ny asa ataonay, voalohany dia ny fanofanana ireo evanjelistra sy katekista ho mpitory ny filazantsara. Faharoa dia ny fitoriana filazantsara any Ambatomena(any Andriry), Ankarinoro ary any Enoho.
        Araka ny anaran'i Blog hoe "Reaching the Unreached", ny tena tanjonay dia ny mba handrenesan'ireo mbola tsy nahare ny filazantsara. 
Ny fanevan'ity Blog ity dia nalaina avy ao amin'ny Romana 10:14:
" Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory?"

Sary: Zazamena natao batisa tany Ambatomena, tany Andriry

Jesosy anie hitahy ny asa.
Ho an'Andriamanitra Irery Ihany ny voninahitra!

Pastora Tolotra Mivady
Tel. 0336274075(whatsap)0336274077.
FB page: Reaching The Unreached
Email: danieltolotra@gmail.com
Instagram: Reachingtheunreached.mg