Saturday, November 5, 2022

Enoho church(In Malagasy)

 Enoho dia tanana kely Bara Andrefan'i Mananovy. Roa ihany ny kristiana ao, izay tsy nifankahita taminay tamin'ny famangiana voalohany.

Vehivavy no tratra tao andrefan-tanana, ary rehefa nifampiresadresaka dia natao ny fampahafantarana sy ny anton-dianay. Tsy nandà izy ireo saingy mila ampianarina vao mety hanao( ho tonga kristiana)

Ny tao antsinan-tanana kosa dia fianakaviana iray. Nandray anay araka ny fomba Bara izy ireo, nahandro sakafo sns...

Mitovy amin'ny ao Andrefan-tanana ny valitenin'izy ireo, mbola manasa anay hiverina ary indrindra hananatra ny zaza madinika.

Indray mandeha ihany no namangiana tany fa mikasa ny hiverina any ny volana Desambra ho avy izao.

Mangataka vavaka avy amintsika mba ho tanteraka ny programa, ary indrindra mba handray ny filazantsara ny mponina ao Enoho.


Sary: Ny tenako sy Rezaba(namana Bara), nandeha tongotra adiny enina mandroso sy miverina.
Sary: Vavahadin'ny Tanana. 




No comments:

Post a Comment